« Tany anaty internet sy tamin’ny televiziona no nahitanay fa hihira ny hiran’i Jérôme Randria sy Bessa i Njakatiana mandritra ilay seho hotontosaina ao amin’ny CCEsca amin’ny faran’ity herinandro ity », hoy Hery Andriamahatana (zanak’i Biry) sy Anthony Andriamahatana (zanak’i Railôla). Nambaran’izy ireo anefa fa « tsy nisy ny fifampiresahana teo amin’izy ireo sy ny mpikarakara, nialohan’ny nandefasana io dokam-barotra io »…
« Noho izany, adidinay ny mampahafantatra amin’ny olona fa tsy nahazo alalana taty amin’ny fianakaviana Jérôme Randria io seho io. Faharoa, tsy ankasitrahanay sy toherinay ny fanaovana lalan-dririnina tahaka izao ». Nanamafy ireto solotenan’ny fianakaviana Jérôme Randria ireto fa « tsy maintsy misy zavatra ataonay mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony ». Nomarihin’i Hery Andriamahatana fa « efa nisy ny resaka nifanaovanay tamin’ny mpikarakara ity fampisehoana ity ka nilazanay fianakavian’i Jérôme Randria tamin’izy ireo hoe, aleo aloha hijanona i Njakatiana mihira Jérôme Randria. Izany hoe, ampahany amin’ilay seho ». Nomarihiny anefa fa « tsy i Njakatiana no olana fa ny mpikarakara no tokony nifampiresaka taminay fianakavian’i Jérôme Randria, mialohan’ny nandefasana ireny fampahafantarana ny hisian’ilay seho ireny ».
Nandritra ny tafa nifanaovana tamin’ireto solontenan’ny fianakavian’i Jérôme Randria ireto, omaly, ihany koa no nilazan’izy ireo ny fahefana ananan’ny Omda manoloana ny tranga tahaka izao. « Ny mahavariana mantsy, misy mpamorona na mpanakanto sahin’ny mpamokatra atao tahaka izao fa misy kosa tsy sahin’izy ireo », hoy hatrany i Hery Andriamahatana.
HaRy Razafindrakoto