
Hofaranana amim-pomba ofisialy, rahampitso eny amin’ny sehatra Analamaitso Analamahitsy, ny andiany fahatelo amin’ny « Festival d’art urbain », karakarain’ny Is’Art Galerie. Raha tsiahivina, nanomboka ny 15 oktobra teo ny hetsika ary tsy nijanona teto Antananarivo fa tonga hatrany Mahajanga.
Nahazo sehatra avokoa ireo karazan-javakanto fanao an-tanàn-dehibe, amin’ny maha « art urbain » azy. Ho an’ny rahampitso, hibahan-toerana ny seho an-tsehatra, indrindra ny mozika. Maromaro ny mpanakanto hifandimby haneho ny talentany, toa an-dry Zanaray Percussion, Rybota, Loharano, l’Aléa des possibles, Nully Ratomosoa, Dadlaah Ben J., Christelle Ratri, Judith Manantenasoa.
Anisan’ny nisongadina, nandritra ny « Festival d’art urbain » ny karazana fanaovan-tsary natao tany amin’ny Sôma Beach any Mahajanga. Niova endrika toy izany koa ny sehatra Analamaitso eny Analamahitsy ka hotanterahina rahampitso ny fitokanana izany.