
Andro A-1. Hirotsaka rahampitso ny fiatrehan’ny rehetra ny « Festival Madajazzcar » andiany faha-26. Tsy i Madagasikara irery no mpandray anjara fa maro ireo vahiny hitondra ny mozikany. Hanenika ireo sehatra miara-miombon’antoka manerana ny Nosy ny hetsika. Ao Antsahamanitra ny fotoana, rahampitso.
Ho raikitra, manomboka rahampitso ao Antsahamanitra ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Festival Madajazzcar » andiany faha-26. Mpanakanto mpitendry sy mpiangaly fanta-daza eran-tany sy eto amintsika avokoa ireo hitondra ny fampiainana ny tontolon’ny Jazz. Maimaimpoana avokoa ny seho rehetra amin’izao fanokafana izao. Lanonam-bahoaka ny fanokafana manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, harahin’ny « alinkira » ao amin’ny Kudeta, Anosy, ny harivariva eo amin’ny 7 ora eo. Hifanindry amin’izany ny ao amin’ny Café de la Gare, Soarano.
Fiverenana amin’ny faka nipoirana na « The roots of jazz » ny filamatra amin’ity indray mitoraka ity. Jazz isan’andro tsy an-kiato ny ilomanosana manomboka rahampitso ka hatramin’ny 10 oktobra ho avy izao. Toy ny isan-taona, tsy ireo mpitendry sy mpiangaly fantatsika eto an-toerana ihany no hiaka-tsehatra fa nanasa vahiny maro ny komity mpikarakara. Ankoatra ireo efa fantatra, manana mpandimby be dia be mankafy sy miangaly izany isika. Varavarana misokatra ho an’ireo mpitendrintsika, indrindra ireo tanora vao misondrotra ny « sehatravo » toy izao.
Sehatravo tokana
Fitiavana sy finoana. Izay ny nahasarika ireo mpankafy sady mpitendry jazz teto amintsika niteraka ny Madajazzcar hatramin’ny taona 1988. Niitatra ny hetsika ka tonga amin’izao dingana amin’ny fifanakalozana iraisam-pirenena izao. Vao tsy ela akory aza, nahazo mari-pankasitrahana « Django d’Or » amin’ny sehatravo iraisampirenena amin’ny Jazz izy ireo tamin’ny taona 2010. Dingana nanamarika ny tantaran’ity karazana mozika ity izany eto amintsika. Tsiahivina mantsy, anisan’ny tanora indrindra izy satria vao ny taona 1950 vao niditra teto. Anisan’ny faka nipoirany anefa i Madagasikara.
Maro ny hetsika toy izao niroboka teo amintsika fa izy ny zokiny indrindra sady naharitra hatramin’izao. Tsy fihamboana fa tamim-panetren-tena no nilazan’ny mpikarakara iray, Ravaloson Haja, ny hoe « Fitiavana sy fankafizana eo amin’ny mpikarakara sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra no hampateza azy ».
Zoelson Randrianindrina