Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Dadalora sy Rapolison : nofoanana ny adin-kiragasy

$
0
0
dadalora

Tao anatin’ny andro maromaro no efa nahafantarana fa hifanandrina etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ny tarika Dadalora avy any Manalalondo sy Rapolison Mandiavato. Raha ny vaovao nampitaina, nofoanana io adin-kiragasy hifandonan’ny samy ngeza io noho ny tsy fahazoana ity kianja ity. Mampanantena anefa ny mpikarakara fa hotanterahina amin’ny andro manaraka ito adin-kiragasy hifanandrinan’ny tarika Dadalora sy Rapolison ito.

Taratra ao anatin’ny tranga tahaka izao ilay tsy fahampian’ny kianja ahafahana manao hiragasy eto an-dRenivohitra. Na efa ela aza ny nangatahin’ny mpanao hiragasy sy ny mpankafy hiragasy ny hanamaroana ny kianja hampivelarana ity zavakanto malagasy ity, tsy mbola nisy valiny mazava izany hatramin’izao.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503