Tsy handalo fotsiny ity taona 2016 ity fa hirakitra fahatsiarovana ho an’ny mpanoratra sy ny kanto malagasy rehetra. Manomana hetsika ho fanamarihana ny faha-20 taona nanoratany i Felana. Hotontosaina ny voalohandohan’ny volana desambra izao izy io, raha ny fanazavany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny fampirantiana momba azy sy ny sanganasany. Ranty tanterahina ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Ao ihany koa ny sakafom-pifaliana izay hianohana ny kantony. « Tsy izaho irery no hanatanteraka azy io fa hotronin’ireo namana mpiangaly hira sy mozika izany fankalazana izany », hoy i Felana. Ankoatra ireo, hihaona sy hifanakalo (hevitra, asa soratra…) mivantana amin’ny mpianatra ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity.
Raha tsiahivina, namoaka ny amboaran-tononkalo « Mankatia » i Felana ny taona 2005 ho tsangambaton’ny faha-10 taona. Azo inoana ny hisian’izany ihany koa amin’ity fankalazana ny faha-20 taona nanoratany ity.
Marihina fa ankoatra ny maha mpanoratra azy, mpanentana lanonana, mpanao asa tanana ary efa manandrana miditra eo amin’ny tontolon’ny fandravahana ny atitrano ihany koa i Felana amin’izao fotoana izao.
HaRy Razafindrakoto