Mitondra vokatra vaovao hatrany ny « Takalo Haingo ». Miompana amin’ny tontolon’ny ankanjo sy fitafiana ary ny fikarohana hanehoana ireo amina endrika sy aingam-panahy tena malagasy.
Hetsika momba ny fitafiana sy asa famoronana mifandraika amin’izany. Andiany faha-9 ny « Takalo Haingo ». Hiavaka noho ny teo aloha satria « tsy nampiditra olona vaovao izahay fa fanohizana ny teo aloha no natao. Izany hoe, hanasongadina izay fitohizan’ny ezaka nataon’ny mpamorona izay ity andiany faha-9 ity », hoy i Ariry, mpanorina ny Maromaitso mikarakara ny « Takalo Haingo ». Anisan’ireny i VeloAry, izay sady iray amin’ireo nanangana ny Takalo Haingo rahateo. I Sikin’Olondihy, niara-niasa tamin’ny sehatra Takalo Haingo hatrany amin’ny taona 2008. I Hery Karl, nivoaka tao amin’ny andiany voalohany tamin’ny atrikasa natao tamin’ny taona 2009. I Kala Jejo, nandray anjara voalohany tamin’ny « Takalo Haingo » tamin’ny taona 2014 ary i Fifaliana sy i Malala, niainga voalohany tamin’ny taona 2014 raha mbola teo amin’ny sehatry ny mpiana-draharaha na « stagiaire ».
« Filalaovana loko » ny lohahevitra amin’izao andiany faha-9 izao. Izay rahateo no asongadin’ny mpamorona tsirairay amin’ireo sanganasany. Anisan’ireny ny fampiasana ny lambaoany, loko miady, loko marevaka, sns. Hanomboka ny 17 novambra izao ka hatramin’ny 19 novambra ity hetsika ity. Hanana anjara toerana lehibe amin’ny fandaharam-potoana ny filatroana. Toerana hanatanterahina izao andiany faha-9 izao kosa ny etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, Lycée FJKM Alarobia Amboniloha, ary ny Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely.
HaRy Razafindrakoto