Mem’s family, Judh Gasy, Mafonja, Nantenaina, Aforano, Anita AmbelaEo, Zazasoa, Sarandra Beloba, Razafimandimby Prosper, Haike, Dadla Ben J, ZMG. Fantatra omaly, teny amin’ny foiben’ny Craam Ankatso fa ireo ny mpanakanto tafakatra hiatrika ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana « Musique d’Afrique », tafiditra ao anatin’ny hetsika kolontsaina mandritra ny frankôfônia.
Dingana faharoa, handray anjara amin’ny « scène insolite » eo anoloan’ny kianjan’i Mahamasina, kianja Rafalimanana Ambodin’Isotry, CEG Ambohipo ireo mpanakanto ireo. Eny indray no hanaovana ny fitsarana manaraka ny 16 ka hatramin’ny 18 novambra. Ny 19 novambra kosa no hilazana ireo mpifaninana 2 voalohany. Izy ireo no hanatanteraka ilay fifanintsanana sady fampisehoana lehibe eny amin’ny « Village de la francophonie » miaraka amin’ny tarika Iraimbilanja sy i Jaojoby ary i D’Gary.
HaRy Razafindrakoto