Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Soirée des artistes » : hampiaraka talenta i Tsoutsou sy Amb’Gadona

$
0
0
soiree

Ny iray manan-talenta amin’ny hairaha ara endrika aman-bika. Ny faharoa kosa, tarika andalam-pametrahana ny anarany eo amin’ny tontolon’ny mozika. Hampiaraka azy ireo, mandritra ny andiany faharoa amin’ny « soirée des artistes », izay hotontosaina ny asabotsy izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, ao amin’ny Little Hennessy, Pack Yellow Café Ivandry ny mpikarakara.
Natao ho sehatra ho an’ny mpanakanto tanora manana talenta ho zaraina mihitsy ny hetsika, izay kasaina hatao isam-bolana ao amin’ity toerana ity. Manana ny mampiavaka azy i Tsoutsou eo amin’ny famoahana ny aingam-panahiny, amin’ny hairaha ara endrika aman-bika. Tsy voaterin’ny fenitra, fa manaraka izay mety aminy izy, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Hampiranty ny ampahany amin’ny sanganasany amin’io fotoana io, ka hatramin’ny 30 novambra izao ity mpanakanto ity. Hiantsoroka ny fandrotsiana amin’ny karazana mozika sy gadona isan-karazany, mandalo ny soul, jazz, reggae, sns, kosa ny tarika Amb’Gadona amin’io.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503