
Tany amin’ny taona 2007 no efa niorina ny « Choréo Danse Club »… Nampahafantarina, omaly, teny Tsimbazaza ny fisian’ny foibe fampianarana dihy ara-panatanjahantena, dihy mihaja ary dihy moderina, iandraiketan’ity tarika ity. Nambaran’Andrianasolo Hariliva Zonandrianina, filoha mpanorina fa « ny ho mpandihy matihanina amin’ireo karazana dihy ireo any amin’ny sehatra hanehoan’ny tsirairay izany no anisan’ny antony nananganana ny « Choréo Dance Club ». Eo koa ny fampitiavana ny olona ny dihy izay manatsara ny fahasalaman’ny vatana. Tsy nitsahatra nandray anjara tamin’ireo fifaninanana dihy ara-panatanjahantena sy dihy mihaja notontosaina teto an-toerana rahateo ry zareo nandritra izay fotoana nijoroany izay.
Somary malaindaina ny Malagasy
Marihina fa ho antsika eto an-toerana, somary mbola manavia ny Malagasy ny manatona ny toerana tahaka itony. Anisan’ny antony lehibe mahatonga izay ilay fiheverana hatrany fa « an’ny mpanam-bola ny fampianarana dihy anaty efitrano ». Saika mijanona hatreo amin’ny famerenana dihy hita amin’ny televiziona ny fomba fianarana dihy ho antsika ankehitriny.
Anisan’ny lesoka tamin’ny fampivoarana ny sehatry ny dihy sy ny haavo teknika ananan’ny mpandihy io tranga io.
Na izany aza, anisan’ny dingana lehibe vitan’ny tontolon’ny dihy eto Madagasikara ny ezaka nataon’ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny dihy ny amin’ny fampidirana tsikelikely ny dihy malagasy fahiny ho ao anatina fenitra na teknika azon’ny rehetra ianarana.
HaRy Razafindrakoto