Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fifaninanan-kira frantsay : hihazo an’i Frantsa i Fatoma Renée Doudoune

$
0
0
????????????????????????????????????

Nibata ny fandresena tamin’ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, andiany fahadimy i Fatoma Renée Doudoune, avy any Antsiranana. Ny hiran’i Celine Dion, S’il suffisait d’aimer no nohirainy. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny AFT Andavamamba, ny dingan’ny famaranana tamin’ity lalao ity. Anisan’ny loka goavana miandry an’i Doudoune ny fivahiniana mandritra ny herinandro any Paris.

Mihamaro hatrany ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, karakarain’ny Alliance française. Ho an’ny teto Antananarivo, ohatra, nahatratra 50 mahery ireo niatrika ny dingan’ny manasa-dalana ary 26 kosa ireo nisedra ny famaranana isam-paritra, izany hoe, ho an’ny teto Analamanga.

Raha tsiahivina, nisokatra ny 1 jolay teo ary tsy nifarana raha tsy ny 12 aogositra ny fisoratana anarana tamin’ity fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, andiany fahadimy ity. Nanerana an’i Madagasikara ny fifaninanana ka tany amin’ireo Alliances françaises miisa 29 manerana ny Nosy no nandray ny fisoratana sy nanatanterahana ny fifanintsanana. Taorian’izany, nisy ny dingan’ny famaranana isam-paritra.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503