
Tao anatin’izay 50 taona mahery niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany) izay, sambany no nahitana fitsanganana sampana 6 tao anatin’ny iray volana. Sambava, Andapa, Vohemar, Fenoarivo atsinanana, Nosy Maorisy ary Antsohihy tamin’ny faran’ny herinandro teo, samy nanaporofoan’ny Fimpima maneran-tany avokoa fa « velona sy miaina ny fikambanana ». Raha ny fantatra, tsy hijanona hatreo fa hitohy hatrany ny fampivelarana ny kabary malagasy tontosain’ity fikambanana zokiny indrindra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana kabary malagasy ity.
Anisan’ny hetsika lehibe notontosain’ny Fimpima maneran-tany tamin’ity volana novambra ity ihany koa ny nanamarihana ny faha-53 taona nivorian’ireo ngezalahy amin’ny kabary, voalohany, ka niteraka ny fitsanganan’ny Firaisan’ny mpikabary malagasy.
HaRy Razafindrakoto