
Samy mahazo ny anjarany ny tsirairay. Izay ny fanambin’ny Canal +, raha ny fanazavan’ i Jean François Duboy, tale jeneralin’ny sampana eto Madagasikara, omaly. Nampahafantatra ireo tolotra vaovao, natao ho fanomezana ho an’ny mpanjifa, amin’izao ankatoky ny fety izao izy, tetsy Andraharo.
Voalohany ny fisian’ireo fahitalavitra malaza hanampy ireo efa anatin’ny tolotra isan-tsokajiny. Anisan’izany ny Trace Africa, azo eo amin’ny canal 93, izay miompana manontolo amin’ny mozika afrikanina. Eo koa ny Discovery Science, azo ao amin’ny canal 111, izay hampiaraka ny fialamboly sy ny fanabeazana. Goavana indrindra anatin’ny tolotra vaovao koa ny NBA TV, azo eo amin’ny canal 72.
Ankoatra ireo, hisy ny fahitalavitra fanampiny, ho azon’ireo mpanjfia ny tolotra mora indrindra Access, toy ny Novelas TV, KTO, Trace Africa, sns. Hiampy zava-baovao koa ny fandaharana, toy ny “Catch” ao amin’ny Canal + Sport 3 sy ny fidiran’ireo “chaînes Disney”.
Toy ny isan-taona, mbola misy ihany ny “Chaîne du père Noël” azo eo amin’ny canal 99. Ho fanaovana pimaso ireo tsy mbola mpanjifa, nidina ho 15.000 Ar ny vidin’ny “décodeur” Canal + manomboka omaly.