Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Kely manam-peo miavaka : hoavin’ny bà gasy i Voara, tarika Fangia Kalo Gasy

$
0
0
VOARA

 Nitsangana ireo mpijery rehetra tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena, raha vao naheno ny feon’ilay zazavavy kely, nampiakarin’i Eric Manana an-tsehatra… Mandona ny fo sy fanahy ny angolany, ary takona avokoa izay manodidina azy rehefa mihira i Voara. Iza loatra ity zazavavy miavaka amin’ny namany ity ?

Rafidimanantsoa Antso Voara ny anarany feno. Mbola amin’ny volana desambra vao feno 10 taona izy. Mpianatry ny sekoly Md François d’Assise Ambohimamory, ary vao afaka CEPE teo i Voara…
Ny vatany sy ny taonany no kely, fa ny talentany kosa lehibe sy mampiaiky volana ireo efa kalaza. Manana feo miavaka,ary mahafehy ny angola mampiavaka ny hira ba gasy sy kalon’ny fahiny izy. « Izy no handimby anay ireo aoriana kely », hoy i Eric Manana, iray tamin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Madagascar All Stars, izay mahita sahady ny hoavy mamiratra amin’i Voara.

Talenta nifandovana

Avy aiza ilay talenta ? Kely dia nilomano tao anatin’ny zavakanto i Voara. Mpamoron-kira sy mpitendry gitara, havanana sy mirona amin’ny bà gasy, ny kalon’ny fahiny ary ny vazo arahin-gitara ny rainy. Vao telo taona monja izy, efa nihira tao anatin’ny antoko mpihira ankizy kely, Amboara Ritsopahasoavavana, Ekar Ambohimamory. Nitohy tamin’ny fiaraha-mihira tamin’ny rainy izany, rehefa fetim-pianakaviana.
Niaka-tsehatra ivelan’ny fetim-pianakaviana voalohany, tao amin’ny Hôtel des Thermes Antsirabe, izy ireo ny volana septambra 2014.

Fangia Kalo Gasy

« Fangia », midika hoe « fihetsika entina mamihina mafy ». Fangia Kalo Gasy ny anaran’ny tarika misy an’i Voara. I Fiphie, izay rainy no mpamorona sy mpitendry gitara. Manampy azy mianaka kosa i Solo, dadatoany, mpitendry gitara ihany koa.
Manana hira 30 mahery eo ny tarika Fangia Kalo Gasy, na dia mamerina hirana mpanakanto hafa aza izy ireo rehefa miaka-tsehatra. Efa nahavita seho maromaro ihany, toy ny tao amin’ny CGM Analakely sy teny amin’ny Saint Michel Itaosy izy ireo.
« Tsy nisy faran’ny herinandro nipetrahana izahay tamin’iny volana septambra iny. Tsy misy afa-tsy i Voara no hitan’ny olona rehefa miaka-tsehatra izahay. Mahagaga ny olona hatrany ny angolany, na ireo efa nahita sy naheno aza. Na tsy hain’ny olona aza ny hira kaloany, hahazoany tehaka foana izany », hoy ny fitantaran’i Fiphie, rainy.
Eo am-panomanana ny rakikirany ny tarika Fangia Kalo Gasy amin’izao fotoana izao. Manana tanjona ny hampitia ny bà gasy ho an’ny besinimaro, manomboka any amin’ny zaza ka hatrany amin’ny lehibe izy ireo. Tsy afaka mirotoroto anefa na te hamaly ny fanirian’ny mpankafy aza, satria zaza toy ny zaza rehetra i Voara. Mianatra aloha ny laharam-pahamehana. Milalao ihany koa matetika. Ny mozika kosa efa ao anaty rà…

Nangonin’i Zo ny Aina Randriatsiresy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503