Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Hosodoko : ranty lehibe ny « Madagascar en couleur »

$
0
0
????????????????????????????????????

Goavana ny fampirantiana hosodoko etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely satria mahatratra 12 ireo mpiangaly ity zavakanto ity mandray anjara. Mivelatra ihany koa ny lohahevitra. Mahakasika ny fiainan’ny Malagasy andavanandro. Samy hafa koa ny teknika ampiasaina, toy ny loko rano, menaka, ratin’akondro, fitaratra, sns. Ankoatra ireo, manana habe isan-karazany ny tabilao hita eny an-toerana.

Voaporofo amin’ny sanganasan-dry D’Ange, Dolph, Moïse, Mahenina, Ra Mah, Tofy, Suzy, Naivo Haja, Liantsoa, Dzery, Dina ary Herizo ny fananan’i Madagasikara mpanao hosodoko manana ny maha izy azy. Tsy mena-mitaha amin’ny hafa… Saingy mbola olana hatreto ny tsy mbola fahalalan’ny Malagasy ny lanja tokony homena ny hosodoko raha ny fanazavan’i D’Ange. Tazana ao amin’ity ranty ity koa ny fampirantiana hajia sy vola fahiny. Ny 25 janoary vao hifarana ny ranty « Madagascar en couleur ».

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503