Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Kaonseritra klasika : hosantarina amin’ny feomanga sy piano ny taona

$
0
0
KLASIKA

Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy, omaly, ireo fandaharam-potoana ara-kolontsaina sy ara-javakanto hitranga etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, mandritra ity telovolana voalohany amin’ny taona 2017 ity. Anisan’ireo hetsika efa fanta-daza mbola hitohy, amin’ity taona ity, ny “Kaonseritra klasika amin’ny mitataovovonana”.

Raha tsiahivina, fanaon’ny IFM sy ny fikambanana Madagascar Mozarteum, isam-bolana, izy ity. Ny feomanga miaraka amin’ny piano àry no hisantaran’ny mpikarakara ny taona. Hanafana ny fotoana, ny 18 janoary izao, manomboka amin’ny 1 ora antoandro katroka hatramin’ny 2 ora latsaka fahefany, ireo mpihira “solistes” ao anatin’ny Académie d’enseignement musical na ny AEM. Hanaraka azy ireo amin’ny feon’ny piano kosa i Reinhard Schwarte.

Ny sanganasan’ireo kalaza eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika no hoentin’izy ireo an-tsehatra. Anisan’izany ny an-dry Brahms, Rachmaninoff, J. Massenet, G Bizet, C. Gounod, E. Grieg ary ny an’i K. Weil Youkali.

Samy efa zatra miaka-tsehatra ary heverina fa anisan’ireo Malagasy sangany amin’ny fihirana klasika ny avy amin’ny AEM, izay manana mpitendry maromaro, mivondrona anaty orkesitra, ihany koa. Niorina tamin’ny taona 2004 ny academia, izay tarihin’i Reinhard Schwarte. Tanjony ny hanofana mpampianatra mozika sy zavamaneno samihafa. Eo koa ny fanofanana matihanina hitarika orkesitra na antoko mpihira.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503