“Ziglo”, tantara fisehatra, nosoratan’i Tsitohery. Io piesy io no entin’ny Faribolana Sandratra, eto Antananarivo, mihaona voalohany sy mifampiarahaba amin’ny mpankafy asa soratra amin’ity taona vaovao 2017 ity. Hotanterahina ny 28 janoary izao, etsy amin’ny Cercle germano-malagasy (CGM) etsy amin’ny Tohatohabaton’Antananinarenina ity fampisehoana teatra ity.
Araka ny efa nambara teto, tanjon’ny Faribolana Sandratra ny hanome sehatra ny tontolon’ny fanoratana teatra sy ny lahatsoratra tsotra amin’ity 2017 ity. Hanaporofoany izany avy hatrany ny hitondrana an-tsehatra ity piesy teatraly, “Ziglo” ity. Araka ny fanazavan’i Riambola Mitia, filohan’ny Faribolana Sandratra eto Antananarivo, ny mpiray faribolana na ny mpikambana ihany no hamelona ny tantara.
Fa ankoatra ny seho amin’ireo foibe ara-kolontsaina samihafa, hiezaka hivoaka ny Renivohitra ireo mpanakanto mpanoratra. Tanjona ny hanatona bebe kokoa ny tanora sy ny hampahafantatra azy ireo ny harena ara-literatiora eo am-pelatanantsika Malagasy. Kendrena voalohany amin’izany ireo mpianatra amin’ny ambaratonga fototra sy faharoa.
Na izany na tsy izany, mitohy hatrany ireo hetsika efa fanaon’ny fikambanana. Anisan’izany ny antsa tononkalo, miaraka amin’ny famoahana boky ahitana ireo asa soratra entina an-tsehatra mandritra izany.
Landy R.