Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Hetsika ny mpanakanto : miketrika « Tour de Mada 2017 » ny tarika Bagzana

$
0
0
BAGZANA

Sehatrasa goavana an-dalam-piketrehana ny fanatanterahana ny fitetezam-paritra manao tohivakana manerana ny Nosy amin’ity taona ity na ny “Tour de Mada 2017”. Andran-tsira ho amin’izany sahady ny famoahana ny vazo “Bagzana tsy lany mamy” sy ny “Siky mena” narindra amin’ny endriny vaovao ary natao hanakaiky kokoa ny tanora.

Manana fomba fiasa voarindra ary noezahana ho matihanina tanteraka rahateo ity tarika ity manomboka izao. Fangitra vaovao hoentin’ny tarika Bagzana manainga sy mamakivaky ny taona 2017. Anisan’izany ny fiaraha-miasany amin’ny Métis Production izay handray an-tanana tanteraka ny antsipirian’ny lafiny teknika sy ny fandrindrana ny fomba fiasa eo anivon’ny tarika. Singanina amin’ireny ny fanatontosana ny fandraisam-peo, famerenan-kira, fanatanterahana ny fitetezam-paritra, sns.

Nomarihin’ny avy ao amin’ny Métis Production indrindra fa matotra tanteraka ny hanatanterahana ny sehatrasan’ny tarika Bagzana mba hahafahana manolotra ny kanto sy ny meva ho an’ireo mpanjifa sy mpankafy zavakanto sady hanomezam-boninahitra ny mozika malagasy ihany koa.

Fantatra fa milofo hatrany amin’ny filalaovana kilalaky mampiavaka an’i Menabe ity tarika manana ny maha izy azy ity.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503