Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Kanto ankehitriny : lasan’i Temandrota ny lokan’ny Paritana

$
0
0
????????????????????????????????????

Anisan’ny fampirisihana ny mpanakanto hiroso sy hikaroka hatrany amin’ny kanto ataony ny fanatanterahana fifaninanana. Iray amin’ireny ilay nokarakarain’ny Paritana mikasika ny kanto ankehitriny.

Notontosaina ny alakamisy hariva teo, teny Isoraka, ny fanolorana loka ho an’ireo mpanakanto mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana mikasika ny kanto ankehitriny, nokarakarain’ny fikambanana Paritana. Araka ny efa nampahafantarina, tamin’iny volana desambra iny, ny sanganasan’i Temandrota no tena nambabo ny fon’ny mpitsara.

Araka izany, lasan’i Temandrota, tsy zovina intsony eo amin’ny tontolon’ny kanto ankehitriny, ny lokan’ny Paritana. Hahazo “résidence” na fipetrahana arahina famokarana, mandritra ny telo volana, izy, miampy fampirantiana ireo sanganasany any amin’ny Cité internationale des Arts any Paris, amin’ity taona ity. Hahazo vatsim-panampiana amin’ny famokarana ny nandrombaka ny laharana faharoa, i Zo. Notolorana fitaovana kosa ny fahatelo, i Rina Ralay-Ranaivo.

Fantatra fa miisa 87 ny mpanakanto namaly ny antso ka nandray anjara tamin’ity fifaninanana nokarakarain’ny fikambanana Paritana ity. Tanjona ny hanohana sy hanome lanja ny mpanakanto malagasy. Tafiditra ho isan’ireo hetsika niara-dalana tamin’ny fandraisan’i Madagascar ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ity fifaninanana ity.

Araka izany, nahazo tohana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF), tamin’ny alalan’ny biraony aty amin’ny ranomasimbe Indianina izy.

Landy R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503