Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Soirée acoustique » : dimy taona ny tarika Randrantelo

$
0
0
RANDRANTELO

Feo samihafa, mifameno tanteraka ao anatina hira iray. Dimy taona ny tarika Randrantelo. Ny alin’ny zoma 28 aogositra izao, hanatanteraka seho « Soirée acoustique » eny amin’ny espace Ravinala Amboanjombe (PK 15, RN7) i Farakely sy Fara Gloum ary i Fanny ao anatin’ity tarika anjakan’ny feomanga ity. Ankoatra ny fiangalian’izy ireo ny sanganasany, hikalo sanganasan’olon-kafa ihany koa ny tarika Randrantelo amin’io alim-pikoranana io. Ao ny amin’ny teny malagasy fa hisy ny hira amin’ny teny vahiny. Ho tazana eo amin’ny fitendrena gitara i Sefo sy Hoby. Tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny faha-10 taona nijoroan’ny espace Ravinala koa ny « Soirée acoustique ». Hiara-dalana amin’ny rindrankira rahateo ny fanolorana sakafo sahaza ny rehetra, amin’io fotoana io.

Raha tsiahivina, anisan’ny manavanana ny tarika Randrantelo tao anatin’izay 5 taona niforonany izay ny fananana ilay feo tena malagasy miaraka amin’ny zavamaneno tsotra toy ny gitara. Iray amin’ireo tarika nanome aina vao indray ireo hira tsy faheno firy intsony kanefa tena ankafizin’ny olona.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503