Tsy haingon-tanàna fotsiny. Natao hanentanana ny mpiara-monina koa ny zavakanto arak’endrika amam-bika. Anisan’ny tanjon’ny « Festival de l’Art Urbain » na zavakanto an-drenivohitra andiany faharoa izany. Nofolahina ho zavakanto ireo akora fanarinarin’ny fiarahamonina.
Herinandro roa an-tsary. Nahaliana izay nahita ny « Festival de l’Art Urbain », nokarakarain’ny Is’Art Galérie etsy Ampasanimalo niaraka tamin’ny Prohelvetia. Zavakanto an-drenivohitra tamin’ny alalan’ny sary sy famolahana ireo akory fanarinarin’ny fiarahamonina no navoitra.
Napetrak’ireo mpikarakara fa tsy haingon-tanàna fotsiny ireny. Tsy kisarisary fandaniana andro na sanatria fandotoana tanàna. Fotoana nahafahan’ireo mpiangaly sary nifanakalo sy ny nifampizara traikefa manoloana ny karazana teknika sy haitao hahafahana mampiroborobo ny zavakanton’ny lalambe an-drenivohitra. Fanampin’izany, zary fitaovana nanentanana ny mpiara-monina koa izany.
Tsy kisary amin’ny rindrina fotsiny koa anefa fa eo koa ny famolahana ireo plastika ho lasa zavakanto. « Azo tantanana soa aman-tsara fa tsy voatery ariariana etsy sy eroa mba ho zary zavatra mahafinaritra ny maso », hoy i Eric Rasoamiaramanana, iray amin’ireo mpitantana ny Is’Art Galérie.
Atrikasa sy fidinana an-tsehatra
Nifantoka tamin’ny atrikasa tanteraka ny natao nandritra ny herinandro voalohany tamin’ity « Festival » ity. Hifarana rahampitso eny Ampasanimalo izany, amin’ny alalan’ny fandravonana ny vokatra, arahana takarivan-tseho marolafy. Ankoatra ny atrikasa nifanakalozana, nisy ny seho sy famoronana, ary indrindra nidinana an-tsehatra teny anivon’ny fiarahamonina.
Tany anatin’ireny fidinana tanaty fiarahamonina ireny no nanaovan’ireo mpahaikanto arak’endrika amam-bika fanentanana sady nanehoan’izy ireo ny talentany. Mpanakanto mirotsaka any anaty elakela-trano tamin’ny fanaovana ny haikantony, raha fehezina.
Natao ho an’ny besinimaro tanteraka ny fanjohiana ireny.
Nisy ny famoronana kisary fanentanana miteny sy mora vakiana tany amin’ny toerana fanasan-damba teny Manjakaray sy Ambatomainty, araka ny fanomezan-dalana nataon’ny Institut des Métiers de la Ville (IMV). Vita koa ny eny amin’ny fiandrasana fiara iombonana (abribus) eny Ambohijatovo sy Ankatso ary ny fitazantazanana « Point de vue » Manjakamiadana.
Nampandraisina andraikitra ny mponina
Efa nisy fiantraikany tany amin’ny fiarahamonina nolalovana sahady ny dingana vita satria nahitana fiovana ny fomba fiainan’izy ireo, araka ny fanazavana, omaly. Nampandraisina andraikitra ny mponina. Na ny teny amin’ny « abribus » aza, nijoro tsy handoto ny haikanto vita sy hiaro izany ireo 4mis.
« Fanabeazana artistika an-tanàn-dehibe sy ho an’ny besinimaro no natao », hoy ihany i Eric Rasoamiaramanana. Ho an’ny teny amin’ireo toeram-panasana lamba, nankafizin’ny olona ireo sary vita satria mampazoto azy ireo amin’ny asany andavanandro. Nihafantatry ny olona koa ny zavakanto sy ny mpanakanto. Hetsika ho an’ny besinimaro, anio, mialoha ny famaranana ny fanehoana fahaiza-manao mivantana amin’ny fanaovan-tsary eny amin’ny L’Excusen Isoraka , hataon’i Nirina Lune.
Mitondra hafatra
« Ho an’iza no nanaovana an’io? Aiza no itoeran’ilay izy? Nahoana no nanao an’io aho? Inona no hevitra tian’io hampitaina ? Inona no vokatra andrasana ? ». Ireo no anisan’ny fanontaniana fototra niaingan’ny famoronana sy ny atrikasa. Vokatr’izany, mitondra hafatra ho an’ny mpiara-belona ireo kisary sy zavakanto noforonin’ireo mpanakanto.
Fanampin’izany, misy koa ny fandrefesana ny fiantefan’izany hafatra izany any amin’ny fiarahamonina. Antenaina hiitatra amin’ny sehatra hafa ny ezaka, na tsy ao anatin’ny « Festival » aza. Maro ny mpanakanto eto amintsika mifehy izany zavakanto an-drenivohitra izany saingy nisy ireo voafantina taorian’ny fiantsoana ny rehetra.
Efa nampanao atrikasa momba haitaon’ny zavakanto amin’ny plastika toy ny fambolena ambonivohitra eny amin’ny Marais Masay koa izy ireo. Navadika ho tavim-boninkazo, ohatra, ireo tavoahangy plastika. Fanampin’izay efa nataon’ny skoto izany fa amin’ny endrika hafa kokoa. Ilaina anefa ny fiaraha-miasa amin’ireo manam-pahaizana amin’ny fandravahana tanàna toy ny « Association des paysagistes urbanistes de Madagasikara », rantsana iray ao anatin’ny Institut des Métiers de la Ville.
Maro vahiny
Tsiahivina fa mpahaikanto sivy avy any ivelany no nifampizara traikefa tamin’ireo avy eto an-toerana, tamin’ity « Festival » andiany faharoa ity. Anisan’ireny i Meghan Judge, Nye Blen, Wallen Mapondera, Chief Nyamweya, Joao Orecchia, Lindiwe Matshikiza, Lavenhdheri Arumugamn sns… Misy koa ny Malagasy mila ravinahitra any ivelany, Nirina Lune.
Marihina fa ireo seho mivantana teny anivon’ny fiarahamonina no azon’ny besinimaro natrehina. Natokana ho an’ireo mpahaikanto nasaina tamin’ny “Festival” kosa ny atrikasa rehetra. Ankoatra ny anio hariva, azon’ny rehetra atrehina ny fandravonana ny vokatry ny atrikasa sy ny lanonam-pamaranana eny amin’ny Is’Art Galérie, Ampasanimalo.