
Niantefa tany aminy ny safidin’ny mpitsara sy ny mpankafy… Vao dingana voalohany ny nahazoany ny laharana voalohany tamin’ny « Pazzapa Next Gen », fa manomboka izao hiroso tsikelikely mankany amin’ny sehatra maha matihanina ao anatin’ny mozika i Maurena.
Nisy ny fifanarahana teo aminy sy ny orinasa Telma, omaly. Fantatra tamin’izany fa lasa ambasasaoron’ny Telma i Maurena, hanampy an’i Wawa.
Nampahafantarina nandritra izany, fa hampiasain’i Maurena amin’izay tohin’ny lalany eo amin’ny mozika ilay vola 10 tapitrisa Ar, ho an’io taona ho avy io. Mety ho fandraisam-peo, fanatrehana hetsika ara-kolontsaina, famoahana vokatra vaovao, sns, no hampiasany izany.
« Faly aho fa tsy tapitra teo amin’ny fifaninanana ny fiaraha-miasa. Tosika lehibe ho an’ny mpanakanto ny toa izao”, hoy ny nambaran’ity mpanakanto misongadina amin’ny feony ity.
“Tafiditra anatin’ny fanohananay ireo mpanakanto tanora, sy ny mozika amin’ny ankapobeny izany. Tsy vao izao akory ny Telma no niara-niasa tamin’izy ireo, ary azo antoka fa tsy farany iarahanay amin’i Maurena ihany koa izy ity”, hoy kosa ny nambaran’ny tale jeneraly lefitra misahana ny haivarotra ao amin’ity orinasa ity.
Taorian’ny niakarany an-tsehatra nandritra ny sehon’i Lalao Rabeson, handeha hihazo an’Antsiranana amin’izay i Maurena. Efa natsidiny sahady fa maromaro sahady ny fiaraha-miasa amina mpanakanto hafa miandry azy.
Zo ny Aina