
Tsy ankandasitra fa tena adin-kiragasy goavambe ! Hifampitana etsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina i Dadalora Manalalondo miaraka amin’i Fredy Kely sy Rapaulson avy any Mandiavato. Hiragasy goavambe tanterahina ny alahady 1 novambra izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Raha ny fanazavan’i Dadafara, tsy mbola nihaona teo amin’ny kianjan’ny Kanto izy ireo. « Izay no anisany mahatonga ny tarika roa tonta tsy hifampitsitsy amin’io fotoana io », hoy izy. Nanaovany antso manokana ny ankizy, tanora, mpianatra ary ny ray aman-dreny mba hanatrika ny seho tahaka itony satria « manampy sy tafiditra ao anatin’ny fanabeazana ny taranaka ny hiragasy ».
Raha ny nambaran’ity mpikarakara hiragasy ity hatrany, hiatrika adin-kiragasy goavana, manomboka amin’io alahady io, ny eto an-dRenivohitra satria efa mirotsaka ny orana, maro ny lalana tsy azo aleha intsony any ambanivohitra. Nampanantena izy fa « eo amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina hatrany no hanatanterahana izany. Hisesy eny an-toerana ny fifanandrinan’ny samy goavana ».
HaRy Razafindrakoto