Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Endrika amam-bika : misokatra ny « Miss-ronde » II

$
0
0
MISS

 “Miss-ronde”, hifaninanan’ireo tovovavy 18 taona noho mihoatra ka mahatsapa tena fa sady donga, botrefona ary vaventy ao Vakinankaratra. Raha « Miss-ronde Madagascar » ny andiany voalohany, ho an’Antsirabe sy ny manodidina ihany ity « Miss-ronde » andiany faharoa ity, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara ahitana an-dRasata Lalatiana sy ny Dj Steen.

Efa nisokatra ny fisoratana anarana. Hatao ao amin’ny Hôtel Tanamasoandro Vatofotsy, ny asabotsy 21 novambra izao, ny filatroana voalohany ho an’ireo tovovavy sady taviny no volony hifaninana. Ao ihany ny hanaovana ny filatroana  sady fitsarana famaranana ny asabotsy 5 desambra 2015.

Nambaran-dRasata Lalatiana, mpikarakara, fa “rehefa vaventy sy botrefona ny tovovavy, lazaina fa ratsy na tsara tarehy sy tsara bika aza. Tsia!… Misy ny lohahevitra entin’ity “Miss-ronde” andiany faharoa ity: “Fahasalamana sy fahafinaretana ho an’ny tovovavy manana toe-batana ngeza!” izay azo adika amin’ny teny frantsay “Bien être et génerosité!” “.

Nohamafisiny fa “tena marina izany, indrindra raha hain’ilay tovovavy ny manasongadina iny haventesany amin’ny fomba mihaja sy manaraka ny toetrandro. Tsy misy fiheveran-tena ho miavaka amin’ny hafa”. Manampahaizana manokana amin’ny fikojakojana tarehy sy bika rahateo ity mpikarakara ny hetsika ity.

Jeannot Ratsimbazafy

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503