
Taorian’ny « carnaval » ny alarobia, nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny « Sômaroho » andiany faharoa, eto Nosy Be. Nanafana ny alim-pandihizana tao amin’ny La Banane Dzamandjary ry Din Rotsaka sy ny tariny. Nafana ny fotoana satria teo amin’ny toerana, Ankoatra ireo mpanakanto zanak’i Nosy Be toa an-dry Faouzia, efa tonga tsikelikely eto Nosy Be ireo mpanakanto handray anjara, hanafana ity hetsika ity.
Nigadona, ny alin’ny alarobia teo, ry Toofan, mpanakanto avy any Togo, namorona ny gadona sy ny dihy « gweta« . « Sarotra ny naka azy ireo, noho ny fandaharam-potoany. Na izany aza, nanaiky ny ho avy aty Madagasikara, mba hanolotra ny seho sahaza ny Malagasy. Raha toa ka telo ny seho nomanina tany am-boalohany, nampiana izany satria ankoatra ny eto Nosy Be, ho any Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina ry Toofan », hoy ny nambaran’i Lemoine, mpikarakara ny tarika Wawa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Efa tonga eto Nosy Be ihany koa ry Barinjaka, anisan’ny tarika andrasan’ny mponina indrindra. Efa nandray anjara, fony mbola tsy niofo ho « festival » fa tsingerintaon’ny tarika Wawa ny « Sômaroho! », i Barinjaka sy ny tariny. Efa tazana eto Nosy Be ihany koa ry Théo Rakotovao, lehiben’ny tarika Mikea. Mbola handrasana kosa ry Nina’s, Gangstabab, sns.
Zo ny Aina