
Nisokatra ny sehatra iray hampiakarana sy hampahafantarana ireo mpanao hatsikana zandriny. « Marobe izy ireo no manana izay talenta manao hatsikana izay manerana an’i Madagasikara, saingy tsy mbola sahy maneho izany », hoy i Aldini sy Riri, fantatra amin’ny mpanao hatsikana amin’ny anarana Etsetra Etsetra. Anisan’ny antony nametrahana ny « Comédie Club au Karibotel ».
Afaka maneho ny talentany sy ny voka-pikarohany indroa isam-bolana etsy amin’ny Karibotel Analakely izy ireo amin’izany. « Andro zoma io andro io ka nokendrena mba amin’ny fotoana ahafahan’ny mpiasa mijery, toy ny fahita any ivelany. Manomboka amin’ny 6 ora sy sasany », hoy i Aldini.
Mialoha ny fiakarana sehatra, tsy maintsy mandalo fiofanana ny mpanao hatsikana handray anjara. Anisan’ny fiofanana omena azy ireo ihany koa ny fizarana miteny. Ao amin’ny Radio Tanà 94.4Fm no hanatanterahana izany.
Nomarihin’i Aldini hatrany fa tsy ho an’ireo efa fantatra ihany ny « Comédie Club au Karibotel » fa afaka misokatra ho an’ny olon-drehatra te hampihomehy ka vonona ny handalo fiofanana.
Fantatra fa hosantarina ny asabotsy 14 novambra izao manomboka amin’ny 6 ora hariva ity hetsika ity.
HaRy Razafindrakoto
Cet article « Comédie Club au Karibotel » : hampahafantarina ny talenta vao misondrotra est apparu en premier sur NewsMada.