
Anisan’ny imasoan’ny mpikabary eo anivon’ny fiangonana katolika (Mpikalo) ny fampivelarana ny fampianarana kabary. Fantatra fa nosokafana any amin’ny distrikan’i Manjakandriana ny fampiofanana izay ahitana ny karazan-kabary rehetra, toy ny kabary fototra, am-panambadiana, an-karatsiana, sns.
Raha ny nambaran-dRakotohavana Raymond, hiandraikitra ny fampianarana any an-toerana, ankoatra ny fampianarana ao amin’ny Ekar Notre Dame de Lourde Manjakandriana, misokatra ihany koa ny ao amin’ny Ekar Masindahy François Xavier ao Mantasoa. Isaky ny alahady amin’ny ora ny ao Manjakandriana raha isaky ny asabotsy amin’ny 9 ora maraina ny fampianarana any Mantasoa.
Hisokatra, tahaka izany, koa ny fampianarana kabary any Ambohimiadana Andramasina sahanin’ny Mpikalo hatrany.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Manjakandriana – Kabary : mivelatra ny Mpikalo est apparu en premier sur NewsMada.