
Tomefy olona ny kianjan’Ambodivoanio. Vao ny seho voalohany, tao anatin’ny “Festival Sômaroho!” andiany faharoa, dia efa vory lanona ireo mpijery fampisehoana teto Nosy Be. Ny antony, efa nandrasan’izy ireo ela ny fandalovan-dry Toofan sy ny “gweta”. Tsy nisy nifantoka loatra tamin’ny fiakarana an-tsehatra nataon’ireo mpanakanto tanora zanaky ny faritra, toa an-dry Jovial sy ry Faouzia ireo mpijery, fa niantsoantso hatrany ny hiakaran’ireo tarika avy any Togo ireto.
“Raha toa ka hainareo, raha toa ka tianareo ny gweta, porofoy aminay eto fa hataonay tsara laza maneran-tany”, hoy ny nambaran’i Barrabas, raha vao niaka-tsehatra izy ireo. Niato kely mihitsy ry Toofan taorian’ny hira roa fa tsy nampoiziny. “Tena faly izahay! Tsy nanam-po izahay hoe voarain’ny olona aty lavitra be aty ny hiranay. Tsy nanenenanay mihitsy ny nandà fifanarahana maro hafa, fa tena nahafinaritra ny nankaty aminareo, ka hotsaroanay hatrany isaky ny miaka-tsehatra”, hoy hatrany ny nambaran’ity mpamoron-kiran’ny Toofan ity.
Tsy vita hatreo ny tsy nampoizina ho an-dry Toofan. Nandritra ny nanaovana ilay hira malaza indrindra, nisy zazakely lahy sy vavy niaka-tsehatra, nandihy niaraka tamin-dry zareo. Na ilay mpandihy matihanina ao amin’ny tarika aza, nivanaka nahita ny fahaizan’ireo zaza ity dihy ity!
Nafana loatra ny fiarahana, ka tsy nanano sarotra intsony i Barinjaka nanohy izany. Taorian’ny dihy “gweta”, nitohy tamin’ny kilalaky ny fotoana, ka tsy nisaraka indray raha tsy efa hadiva haraina…
Zo ny Aina