Clik here to view.

Sisan-davenona hatrany. Izany no mianjady amin’ireo « vakoka hita maso » eto amintsika, isak’izay mihetsika. Goragora na tsy nisy mihitsy politikam-panjakana eo amin’ny fikojana sy fiarovana vakoka eto amintsika hatramin’izao. Azo lazaina ho fanjakazakan’ny baranahiny na ny tsy fisian’ny finiavana handray andraikitra ny fahamaizana na fandoroana mihitsy ny Rovan’Ambohidratrimo farany teo. Nahagaga mantsy fa na dia mpiambina àry tsy misy.
Raha hampitaha amin’ireo karazam-bakoka, na trano fitahirizam-bakoka any ivelany isika, milendalenda fotsiny amin’ny fiarovana ny ao Louvre na Orsey na ny lapan’i Versailles, ohatra. Vao oviana no nodoran’ny sasany ny Rovan’Antananarivo ka nahakila forehitra ireo lapa sy ny vakoka rehetra tao, dia tsy nisy fepetra noraisin’ireo fitondrana nifandimby ? Efa nisy « tsaho » niely fa hisy handoro ny Rova izatsy na izaroa dia tsy nisy fandraisan’andraikitra. Ny fangalaran’ny fahavalom-pirenena ny satroboninahitry ny mpanjaka tsy horesahina intsony.
Mampionon-tena lava amin’ny tsy fisiam-bola ho amin’izany ny fanjakana nifandimby teto. Izay minisitera nisahana ny vakoka na ny kolontsaina teto, zara raha nanana tetibola matanjaka, na ho fiarovana ireny vakoka hita maso ireny ihany aza. Miandry ny mpampindram-bola avy any ivelany lava ? Tsy azo hadinoina anefa fa ny ho azy ireo no andefasany vola aty fa tsy ny ho antsika.
Fahatairana afomololo
Maro amin’ireo vako-pirenena ireo no efa vakoka iraisam-pirenena araka ny famaritan’ny Unesco azy. Raha iraisam-pirenena izy ireny, tsy midika mihitsy izany fa hiala andraikitra tsy hanao izay tokony ho anjarantsika isika. Eto amintsika ireny vakoka hita maso ireny fa tsy any Kaomoro na any Egypta. Noho izany, adidy aman’andraikitry ny fanjakana hatrany ny mametraka tetibola hikojana sy hanarenana azy ireny.Tsy fanakianana ny lasa no iresahana izany eto fa ilazana izay tsy maintsy hatao aorian’ny loza amin’antambon’ireo « mpandoro vakoka ».
Fanampin’izany, amin’ny tranga « inian’olona » atao toy ireny, (satria voalaza fa mbola taraiky tao Ambohidratrimo ny tavoahangy nitondran’ny « tsy valahara » ny solika nandrehetany ny tanàna), nihazakazaka ny fitondrana nizaha ny zava-misy. Sanatrian’izany, toa fihetsika ivelany ihany ireny ka mirehi-be toa afomololo am-boalohany. Tsy mbola nisy fitondrana tena nandray andraikitra nanao « aro afo » na fikarakarana teto. Resaka imolotra fotsiny ihany ny Fiandrianana sy ny hambompom-pirenena tsy misy fandraisan’andraikitra.
Variana amin’ny isanandro iainana
Tafiditra ao anatin’ireo tsy mandray andraikitra amin’ny vakoka koa isika olom-pirenena. Raha hanaovana tsilalao ifaninanana, ohatra, ny fitanisana fotsiny ireo karazana Rova misy eto amintsika, vitsy no mahafantatra. Na ny fitsidihana azy ireny aza, tsy misy noho ny tsy fisian’ny drafi-panabeazana sy fitaizana ny ankizy hahafantatra marina ny tantara. Iandrasana ny vahiny mizaha tany ? Miala olana amin’ny fitanisana ny fahasahiranana sy ny isanandro iainana isika.
Tsiahivina anefa fa saiky misy Rova manerana ny Nosy, raha tsy hilaza afa-tsy ny eny Ambohimanga, Ilafy, Antsahadinta, Antongona, Moramanga, Beforona, Fianarantsoa sy ny maro hafa isika. Vakoka arovana koa ireo doany fanasinana rehetra, ny trano fiangonana toy ny FJKM Ambatovinaky na Ambohipotsy na Faravohitra na Amboninampamarinana sy ny Ekar Andohalo sy ny maro tsy ho voatanisa eto.
Vakoka koa ny teny sy ny fomba
Tsy ireo voatanisa hita maso ireo ihany ny vakoka fa be ireo noraofin’ny vahiny mpanjanatany teto. Anisan’ny lehibe amin’ireny ireo hira tranainy tsy azon’ny Malagasy hiraina tamin’izany izay mirakitra fanindrahindrana Mpanjaka na fitiavan-tanindrazana, ohatra. Toraka izany ireo sary na tantaram-pirenena tena izy. Firifiry ireo tahirintsika miranty na mihiboka any Angletera sy Frantsa na firenen-kafa ? Tsy mbola nihevitra ny hampody ireny izay fitondrana nifandimby teto.
Vakoka simbain’ny vahiny hatramin’izay koa ireo fomba amam-panao isam-paritra. Saingy mbola misy tandindona tavela ka mitsilopilopy amin’ny alalan’ireo karazana hetsika ara-kolontsaina isan-karazany izy ireny, ankoatra izay mbola tanan’ireo Olobe na Ampanjaka any amin’ny faritra rehetra any. Harena tsy voavidy vola ireny saingy odian-tsy hita.
Tsy ny kely indrindra koa fa ny teny dia vakoka tsy hita maso saingy iainana. An-dalam-pahasimbana izy izao. Tompon’andraikitra amin’ny fikojana sy fikajiana izany ny isam-batan’olona, ankoatra izay tsy maintsy hataon’ny fanjakana. Raha fehezina, toa tsy notezaina sy nobeazina handala na hiaro vakoka isika. Ny mbola tsy vakoka fa fananana iombonana aza moa, simbaina na ravàna amin’ny hetsika politika ambara ho fahatezeram-bahoaka. Hiandry faharavana tanteraka vao hihetsika?
Zoelson Randrianindrina