Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Parany R. : nivoaka ny rakikira « Mamabé »

$
0
0
Parany

Niverina namokatra ny hirany eto an-tanàna i Parany Ramaromisa na i Parany R. Nivoaka ny rakikira « Mamabé ». Tsy dia tazana loatra eo amin’ny fihirana ny tenany saingy hita eo amin’ny fitendrena gitara, indrindra ny famoronana. Anisan’ny efa niangaly ny hirany ry Ingahibe Tselonina sy ny maro hafa.

Amin’ity rakikira ity, miara-dalana aminy ao anatin’ny tarika Parany R. ry Rado Rakotorahalahy (amponga maroanaka), Bee Randriamasimanana (gitara fanampiny), Rolly  Rabesata (hira) ary Enzo d’Aversa (angorodao sy clavier). Vahiny nasaina amin’ireo hira ry Gangstabab, Natacha Rajemison (Soprano), Zamba valiha …
Mirakitra hira 11 ny « Mamabé » : « Ry alina », « Vendredi joli », « Lota », « Mpifamofo mandra maty », « Laza 2011 », « Tantarantsika », «  Mamabé », « Diavolana », « Tchombé », « Safidy » ary « Hary Aina ». Hivoaka atsy ho atsy ny rakitsary « Vendredi joli » hampahafantarana ireo hira.

Zo. Ra.

Cet article Parany R. : nivoaka ny rakikira « Mamabé » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503