
Fahombiazana ny tetsy amin’ny Le Glacier Analakely. Hotohizan’i Linos any Maevatanàna izany, rahampitso. Mampanantena seho goavana tsy mbola fahita firy rahateo ny mpikarakara sy ny tarika. Hisy ny fitsenana ny tarika Linos amin’ny alalan’ny « carnaval » ? rahampitso maraina. Hanomboka amin’ny 6 ora kosa ny fampisehoana ka tsy ho voafetra ny fotoana fa miankina amin’ny « ambiansy » ny ora hiravana.
Ho re mandritra ity seho goavana ity ireo hira nahafantarana ny tarika sady tsy afaka am-bavan’ny olona rahateo. Anisan’ireny ny « Zaho fa ho avy », “Zaho mavozo”, “Degoly”, “Double puce”, “Tsy mavandy” sy ny maro hafa.
Marihina fa feno tanteraka ny fandaharam-potoan’ny tarika Linos, mpanjakan’ny gadona degoly nanomboka tamin’ity volana novambra ity. Hiverina eto an-dRenivohitra indray izy ireo ny 21 novambra izao (Cemes Betongolo). Hitohy eny amin’ny Jao’s Pub ny 18 desambra.
Fantatra fa fanamafisam-peo anisan’ny raitra indrindra amin’ny fanaovana fampisehoana goavana tahaka izao no ampiasaina amin’ity seho ity.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Seho goavana : any Maevatanàna ny tarika Linos est apparu en premier sur NewsMada.