Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Omda : « Azo arahina ny lalan’ny vola », hoy i Haja Ranjarivo

$
0
0
????????????????????????????????????

Manoloana ny filazana fa nisy halatra teo anivon’ny Omda, nanazava ny momba ny fandaniana sy fampiasana vola eo anivon’ny Omda, i Haja Ranjarivo (talen’ny Omda noesorin’ny filan-kevitry ny minisitra farany teo). « Azo atao tsara ny manamarina ny lalan’ny vola any amin’ny banky. Faharoa, tsy maintsy mandalo ny filankevi-pitantanan’ny Omda ny fandaniana », hoy izy. Nohamafisiny fa ny agent comptable no mitantana ny vola fa tsy ny tale ary ara-dalàna ny fandaniana satria mahazo « quitus » ara-dalana ny agent comptable, raha ny fanazavany hatrany. « Raha nisy ny halatra teto amin’ny Omda, tsy hangina amin’izany ny artista satria tsy azo hadinoana fa ny 94%-n’ny vola miasa ato, an’ny artista avokoa », hoy hatrany i Haja Ranjarivo.

Nanamafy hatrany ny mpanakanto fa tsy miaro tale izy ireo raha manohitra iny fanapahan-kevitry ny minisitry ny Kolontsaina sy ny asa tanana iny fa miaro rafitra sy ny ezaka efa vita teo aloha mba tsy ho very momoka.

HaRy Razafindrakoto

Cet article Omda : « Azo arahina ny lalan’ny vola », hoy i Haja Ranjarivo est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503