Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Nodimandry i Doda : fa tsy mangina ny «hirany»

$
0
0
Doda

Nidonam-pahoriana fanindroany ny tarika Tsiakoraka. Taorian’ny fahalasanan’i Setra, iray amin’ireo nanangana ny tarika, 20 taona lasa teo ho eo izay, nodimandry koa Ratefinanahary Haja, fantatry ny rehetra amin’ny hoe Doda, ny alahady hariva teo. Efa nisy ny ezaka tolo-tanana hitsaboana azy tao amin’ny Piment Café, voan’ny aretin’ny voa saingy tsy tana ny ainy.

Nilalao sy nifehy ny folk sy ny country niaraka tamin’ireo namany i Doda. Raha tsy diso aza ny fitadidianay, ry zareo no nivoy voalohany ny « country » eto Madagasikara, rehefa nanao fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika tany Antsirabe tany amin’ny taona 80. Nilaoza-namana indray ry Fidy, Gérard, Liva sy ny sisa.

Na nodimandry aza izy, tsy mangina ny hirany. Anisan’ny mpamorona tao anatin’ny tarika rahateo izy. Nandimby azy amin’ny talenta ny zanany, Jaofetra (Jiaary), ao amin’ny tarika Moajia. Tsy ny hira ihany no talentan’izy mianaka fa eo ny famolahana ny hoditra ho zavakanto. Mampahery ny fianakaviany ny gazety Taratra.

Zo. Ra.

Cet article Nodimandry i Doda : fa tsy mangina ny «hirany» est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503