Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Antsonjombe : nampiray feo ny tanora sy zokinjokiny ry Lolo sy Mahaleo

$
0
0
Mahaleo sy lôlô 31 aout

 Nitety vanim-potoana maro ary nampiverina ny tsiahin’ny tantaran’ny lasa. Vory marobe ireo mpankafy sy mpijery ny fampisehoan’ny tarika Mahaleo sy Lolo, tetsy Antsonjombe, omaly. Tsy nifidy sokajin-taona izany fa teo ireo zokinjokiny, efa manan-jafy,  mpanaraka ireto tarika ireto. Fa teo koa ireo tanora sy ankizy aty aoriana, mbola babon’ny hiran-dry Lolo sy Mahaleo.

Sambany rahateo indray ny fiarahan’ireto tarika roa ireto raha efa an-taonany maro tsy nanao fampisehoana miaraka izy ireo.

     Nisantatra ny fiakarana an-tsehatra ry Lolo ary nampahatsiahy an-kira ireo tranga niseho sy ny fiainam-pitiavana tany amin’ny taona 1975. Anisan’izany, “Bonbon gasy, Ilay akanjo fotsy…”.

Notsarovana manokana i Patsa sy Raoul ary Nonoh

Teo koa ny fahatsiarovana an’i Patsa, anisan’ny nandrafitra  ny tarika Lolo fa efa nodimandry tamin’ilay hira, Joseph Remi.

       Niarahana hatrany tamin’ireo mpijery ny fihirana izany. Nanampy an-dry Lolo rahateo ilay andriambavilanitra, Farah, nisolo an’i Hanitra. Nampiavaka azy ny fitendrena gitara sady mihira sy ny nihirany koa ireo hiran’ny tarika sasany, tokony ho feon-dehilahy.

       Nanamarika ny sehon’i Lolo ny fahabangan’i Eric Manana tsy anisan’ireo eto an-toerana na mandrafitra ny tarika aza.

      Etsy andaniny, niha maoderina kokoa ny fomba fitendry sy ny fampiasana ny zavamaneno. Tsy nampiova firy ny seho anefa izany.

Nifandimbiasana ny fiakarana an-tsehatra ka nisantaran’ny tarika Mahaleo ny anjarany teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ny tsiaro an’ireo namany efa nodimandry : Raoul sy Nonoh, tamin’ilay hira, “Raha tsy ho eto intsony aho…”.

Teratany vahiny sy mpanao politika

Samy naneho ireo hira tsy lefy laza nahafantarana azy ny roa tonta avy eo. Teo koa ny fifanakalozana ka nihiran’i Fafah ao amin’ny Mahaleo ny hiran’ny Lolo, “Aza tsahoan’ialahy…

Tazana teny an-toerana ireo mpanao politika sasany, mankafy ireto tarika ireto. Anisan’izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Razafimanantsoa Hanitra. Teo koa ireo teratany vahiny maromaro, mandalo na mipetraka eto amintsika ka naheno ny lazan’ireto tarika roa ireto.

Nalai-nisaraka ny rehetra… Mbola hafa sy miavaka ry Lolo sy Mahaleo.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503