Hifamotoana amin’ny mpankafy haisoratra indray ny Faribolan’ny Mpanoratra sy Poeta Sandratra, rahampitso tolakandro. Toy ny isam-bolana, hitondra vokatra vaovao ho an’ireo mpianoka ao amin’ny Cercle Germano Malagasy, CGM, Analakely izy ireo. Ireo avy amin’ny sampan’ny Faribolana ao Antsirabe no hiantsehatra, hizara ny mamy.
Pao-droa avy hatrany no havoakan’izy ireo, dia ny « Siran’Ankaratra », vokatra navoaka tany Toamasina tamin’ny fivoriambe farany teo sy ny « Vonenina ». Araka ny fanazavan’i RA-PHI, mitarika ny Faribolana Sandratra Antsirabe, toy ny voninkazo vonenina ny haisoratra ka sady haingon-tanàna no fanafody. Izy tenany sy L.Niry Andriamora ary Koloina no nanambatra ny tononkalony amin’io amboara iray io.
Mikasika ny amboara « Siran’Ankaratra » kosa, fifarimbonan’ireo poetan’Antsirabe sy ny teto Antananarivo ny namokarana azy. Ampahan-tsanganasan’i RA-PHI, L.Niry Andriamora, RI.MA. Toly, Zo-Maminirina ary Ranöe no voarakitr’izany. Iray amin’ireo vatolahin’ny faha-20 taonan’ny Faribolana Sandratra rahateo io.
Hifanotrona amin’ireo poetan’ny Faribolana ireo ny mpahaikanto amin’ny mozika sakaizan’ny Sandratra toa an-dRalanto sy ny tarika Zanabaliha. Hisy vahiny tsy ampoizina koa, araka ny fanazavana. Marihina fa misy ampahany amin’ireo tononkalo voarakitry ny amboara roa ireo no efa nasian’ny mpamoron-kira feony. Ankoatra ireo hira efa fantatry ny maro, hisy koa ny hira vaovao.
Zo. Ra.
Cet article Antsantononkalo : hanao pao-droa ny Sandratra Antsirabe est apparu en premier sur NewsMada.