Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

35 taona tao anatin’ny aloka : hiseho masoandro amin’izay RaBôby

$
0
0
RABOBY2

Misy miantso azy hoe Razery… Rabôby kosa no anarana nosafidiany eo amin’ny tontolon’ny mozika, asa noho izy mpankafy an’i Bob Dylan angamba… Ny fantatra aloha, efa 35 taona nilomanosana tao anatin’ny mozika, kanefa tao anatin’ny aloka hatrany RaBôby. Na izany aza, tsy havelany handalo fotsiny, fa homarihiny io ary efa nomanina ela.
Fantatra fa manome fotoana ireo mpankafy azy, na mpankafy ny gadona folk, country sy gasigasy an-gitara sy farara fotsiny ihany Rabôby anio, manomboka amin’ny 9 ora alina, eny amin’ny Akany Nambinintsoa Talatamaty.  Nanasa ireo mpanakanto namany maromaro izy hanotrona azy amin’io, toa an’Ifanihy, Tselonina, ny tarika Levelo, Kolibera, sns.
35 taona tao anatin’ny aloka, satria tamin’ny taona 1980 no namorona tarika i Bob, Riri ary Ikalaneny. Niara-dalana tamin’i Tselonina izy taorian’izay, ka tao anatin’io tarika io no tafaraka tamin’i Levelo sy i Mireille. Na dia nangingina teny aza, efa namoaka rakikira roa ihany Rabôby, dia ny “Magnine” sy ny “Zanak’iza?”. Asa, mety hivoaka amin’ny aloka amin’izay aorian’ny anio?

Zo ny Aina

Cet article 35 taona tao anatin’ny aloka : hiseho masoandro amin’izay RaBôby est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503