
Fanasina Manjakaray, iray amin’ireo rantsana fampianarana kabary nijoro voalohany teo anivon’ny fiangonana katolika na ny Mpikalo. 10 taona aty aoriana, nanapa-kevitra ny tompon’andraikitry ny fampianarana fa hitondra fanavaozana lehibe. Fanomezana lanja ny fikarohana. « An’ny mpampianatra ny 2/3-ny fikarohana fa tsy maintsy raisin’ny mpianatra kosa, ny 1/3. Tsy ho toloram-potsiny ny mpianatra mba ahafahany mivelatra amin’ny zava-baovao hatrany », hoy i Rado Harivelo. Nomarihiny anefa fa voatazona hatrany ilay tamba-tsoatoavina mampiavaka ny Mpikalo fa ny fanavaozana takin’izao vanim-potoana izao koa tsy maintsy iompanan’ny fikarohana.
Hiditra amin’ny fomba ofisialy rahampitso ny fampianarana kabary ho an’ity rantsana Fanasina Manjakaray ity. « Omena aina vao hatrany ny fampianarana kabary eo anivon’ny Mpikalo, indrindra amin’izao faha-10 taony izao », hoy hatrany ny tompon’andrakitry ny fampianarana.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Mpikalo 10 taona : omen-danja ny fikarohana est apparu en premier sur NewsMada.