« Rock hatrany hatrany ». Hiverina indray ry Tselatra, ho an’izay tsy tafiditra tao Ankorondrano. Any Mandriambero, Ambohidratrimo ny fotoana. Eo am-panomanana ny rakikira « Mpandresy » izy ireo.
« Izay angatahan’ny olona dia omeko satria ny vahoaka no naha toy izao ahy. Mozika no azoko omena ». Izay no fanambaran’i Erick Tselatra, omaly, tamin’ny resaka niserana taminy. Hitondra vokatra vaovao izy ireo. Manomana rakikira vaovao, hivoaka alohan’ny Krismasy ny tarika, izay nomena anarana hoe « Mpandresy ».
Mialoha izay, hanolotra alinkira faninefany ny Tselatra, anio. Eny amin’ny SK Melody, Mandriambero, Ambohidratrimo ny fotoana. Ao daholo ny mpikambana. Homena anjara manokana ireo tsy tafiditra tamin’ny seho tao Ankorondrano. « Hofohazinay amin’io ireo hira taloha tsy fandre matetika ka nangatahin’ny mpankafy », hoy ihany i Eric.
Hisy koa ireo hira vaovao, izay hiram-bavaka toy ny « Sodoma sy Gomoro », Tsy mendrika », « Jesosy Kristy », « Sambatra », … Antony, araka ny fanazavan’i Eric ihany, Andriamanitra no nanome ny tanjaka sy ny talenta ary mihamanjaka ny ratsy izao fa tsy toy ny taloha. « Tsy hadino ny mivavaka fa mametraka daholo ry Devoly sy Satana amin’ny sehatra rehetra », hoy izy.
Momba ny olan’ny OMDA, mihevitra koa i Eric Tselatra fa tokony ho tazonina amin’ny toerany. Tsy mbola nisy tanora nianatra manokana momba ny zon’ny mpamorona afa-tsy ny am-perinasa. « Tsy mety raha mpitsabo, ohatra, no hapetraka eo », hoy ihany izy.
Zo. Ra.
Cet article Tselatra : hivoaka tsy ho ela ny rakikira « Mpandresy » est apparu en premier sur NewsMada.