Fotoana ela tokoa no tsy nihaonana ! Io no fanamarihana voalohany raha vao niakatra ny sehatra tamin’ny alalan’ny hira tambatra ry Kaiamba. Tao anatin’ny hafanana sy hafaliana tanteraka, na ny mpijery na ireo mpanakanto teny an-tsehatra. Nosokafan’i Charles Martin tamin’ny « Mbola tiako ianao » ny fizarana voalohany. Nihira ny rehetra. Tsikaritra fa tena mbola tsy afaka ao am-pon’ny olona ny hira kaiamba. Nanamafy izany ny nandraisan’ny mpijery ireo hira novazoin-dry Zozo sy Dorlys, Marcelin, Jean Kely sy Bast, Dédé Fenérive, Bruno Resner, Jackie Edmée. Nampitolagaga ny mpankafy ny kanto tonga teny an-toerana ny fahaizan’i Proshely mitendry gitara marani-peo. Nanakoako indray ny slow, basesa, batrelaky, slow rock.
Vao mainka nanamafy izay fankafizan’ny olona ny vazo kaiamba izay ihany koa ny fiakaran’i Dadah de Fort-Dauphin sy Maurena ary Jean Rigo ny sehatra. Nanome aina vao indray ny fankafizan’ny olona ny « Kotrobaratra », « Tapakevitra », « Hasambarana », sns.
Fangatahan’ny olona maro tonga nanatrika ity fampisehoana ity ny hisian’ny seho famerenana amin’ny fotoana maha mety izany.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Lapan’ny kolontsaina : seho tsy nanam-paharoa ny an-dry Kaiamba est apparu en premier sur NewsMada.