Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Raharaha OMDA : hita soritra ny vahaolana

$
0
0
OMDA

Nandritra ny andro vitsivitsy izay no nifanolana ny mpanakanto mpikambana ao amin’ny OMDA sy ny minisiteran’ny Kolontsaina. Nisisika hanao ny famindram-pahefana ny avy ao amin’ny minisitera, raha toa ka nijoro nanohana ny heviny hatramin’ny farany, ka nitsipaka izany ireo mpanakanto. Efa nifantenana izy ireo ny hanao fihetsiketsehana eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ny alarobia izao.
Nilaza kosa anefa i Rossy, sekretera jeneralin’ny Sendikan’ny mpanakanto fa efa miroso mankany amin’ny vahaolana izao. Nisy mantsy ny fihaonana tamin’ny minisitra Rakotovao Rivo, izay nisolo toerana ny praiminisitra tamin’ny tsy naha teo azy. Niadian-kevitra tamin’izany ny zava-niseho, mahakasika ny OMDA. Efa nisy koa anefa ny vahaolana naroso, izay hitan’ny roa tonta fa mety hampiravona ny disadisa.
Araka izany, tsy fihetsiketsehana intsony fa fihaonana ifampizarana vaovao ho an’ireo mpanakanto mpikambana ao amin’ny OMDA no hotontosaina ny alarobia, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasika ihany. Mitana ny heviny hatrany ny sindikan’ny mpanakanto : tokony hanao fanadihadiana sy fanaraha-maso tsy mitanila ny fanjakana, mialohan’ny hisian’ny famindram-pahefana. Tsy eken’izy ireo koa ny fihetsika mampiady ny samy mpanakanto. Farany, tsy miaro olona amin’ny toerany, fa te hametraka ny rariny, amin’ny maha tompon’ny petra-bola azy ao amin’ny OMDA izy ireo.
Raha hiverenana kely ny « raharaha OMDA », nanomboka tamin’ny nanalan’ny talen’ny OMDA ny tompon’andraikitra ny sampana tany Toamasina, izay voalaza fa nanao fandikan-dalana, ny olana. Taorian’izay, natao izay nanalana ity tale ity, ary efa nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra izany. Ny indro kely, nivoaka ny feo fa havan’ny minisitry ny Kolontsaina ihany no hasolo azy… Ho hita eo indray ny tohiny.

Zo ny Aina

Cet article Raharaha OMDA : hita soritra ny vahaolana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503