![Paul Dason](http://i1.wp.com/www.newsmada.com/wp-content/uploads/2015/12/Paul-Dason.jpg?resize=336%2C445)
« Anjavidy », « Aza ilaozana », « Very maina ». Hira nahafantarana an’i Vola sy Noro fahizany ireo. Nodimandry ny alahady lasa teo ny mpamorona ireo hira ireo, Ramandason Paul, fantatra tamin’ny anarana hoe Paul Dason teo amin’ny famoronan-kira. 79 taona izy izao nindaosiny fahafatesana tao Antanivao Avaratra, Antsirabe izao. Araka ny fantatra, anisan’ireo niara-niasa akaiky tamin’i Jérôme Randria sy Ny Railovy ny tenany, tamin’ny fotoan’androny. Efa nihira irery koa taorian’izay.
Ankoatra ny hira, mpanoratra sady poeta koa i Paul Dason. Nisalotra ny anarana indrana, Raminoson Jérôme Ezekiela izy tamin’izany. Sokajin’irony literatiora « surréaliste » na lalina irony ny boky nosoratany. Iray amin’ireo poetan’ny Havatsa-Upem Antsirabe izy. Efa nisy aza famoaham-boky niarahany tamin’i Jeannot Ratsimbazafy misy ny tononkalon’izy mirahalahy ireo nisalotra ny lohateny hoe « Talenta roa ».
Araka ny fampitam-baovaon’i Jeannot Ratsimbazafy, mpiray dabilio tao amin’ny Ecole Régionale Antsirabe fahizany izy mirahalahy ary samy manana ny hanitra ho azy ny talentany. Halevina rahampitso ao amin’ny fasan-drazany, ao Ambohijafy, Talata Andraikiba ny nofo mangatsiakan’i Paul Dason. Mirary fiononana ho an’ny fianakaviambeny ny gazety Taratra.
Zo. Ra.
Cet article Famoronan-kira : nodimandry i Paul Dason est apparu en premier sur NewsMada.