
Lafatra ny fahasahia-midera ny Mpahary. Tafavoaka tamin’ny alalan’ny « Tolakandron’ny mpianakavy » teny Andrononobe, ny rakikira vaovaon’ny tarika Ivoara, nomeny ny anarana hoe « ’Ndao hidera Azy ». Nohiraina an-tsehatra avokoa ireo hira 10 ao anatiny, mitory ny Filazantsara sy midera an’Andriamanitra, ny faran’ny herinandro teo.
Seho niavaka tamin’izay vita nandritra ny 18 taona no natao. Nahalana ny nahitana ny tarika niangaly hiram-bavaka. « Midera, mitsaoka, mankalaza » ny filamatry ny tarika sy ny rakikirany vaovao. Tamin’ny alalan’ireo gadona « soul » sy ny « rythm and blues » no nianohana ny kanto, nandrenesana « tsirona gospel » kely teny anelanelany. Mifameno, noho izany, ny talenta sy ny tian-kahatongavana. Tafita ny hafatra hiatrehana ny dingana manaraka rehetra amin’ny sehatry ny fiderana sy ny fitoriana ny Filazantsara.
Zoelson Randrianindrina
Cet article « ‘Ndao hidera Azy » : tafita ny hafatry ny tarika Ivoara est apparu en premier sur NewsMada.