Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Seho eto an-dRenivohitra : hanao faradoboka i Linos sy ny ekipany

$
0
0
LINOS

Avy nitety faritra maro… Raha ho an’ny eto an-dRenivohitra manokana, hanatanteraka seho alim-pikoranana faradoboka etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo i Linos sy ny ekipany amin’ny zoma 18 desambra izao. Haharitra mandramaraina izy io, raha ny fanazavany. « Ao anatin’ny ambiansy mafana tanteraka no hihirana ireo hira nahafantarana anay hatramin’izay, toy ny « Za fa ho avy », « Tsy mavandy », « Double puce », « Degoly », sns », hoy i Linos. Nambarany fa « nisy hatrany ny fanatsarana ny zavatra nataon’ny tarika hatramin’izay satria mpanakanto goavana maro no nifaneraserana ». Marihina fa mpanakanto mahay mitendry zavamaneno maro i Linos. Niaina teo anivon’ny zavakanto rahateo izy satria mpanakanto ihany koa ny ray aman-dreniny. Nitrandraka manokana ny karazan-kira degoly izy.

Ny any amin’ny Faritr’i Bongolava (Tsiroanomandidy) no hiaraka amin’ity tarika tanora manana ny maha izy azy ity amin’ny faran’ny taona.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Cet article Seho eto an-dRenivohitra : hanao faradoboka i Linos sy ny ekipany est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503