Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Amboaran-kira Noely : hanatanteraka « Omeo voninahitra » ny chorale Orimbato

$
0
0
AMBOARAd

Tsy ho diso anjara ny Noelin’ny taona 2015 fa handray ihany koa ny famirapiratan’ny feon’ny antoko mpihira Orimbato FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanatanteraka ny « Omeo voninahitra » izy ireo.

« Omeo voninahitra », amboaran-kira Noely hotanterahina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny alahady 20 desambra izao manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Anisan’ny hampiavaka ity seho ity ny hamelomana indray ireo hira voasokajy ho « maintimolaly », izay voarakitra ao anaty fihirana protestanta FFPM. Hira tsy hiraina firy intsony mandritry ny fanompoam-pivavahana ka tsy fantatry ny kristianina protestanta loatra ankehitriny. Tsy voatery haneho ny fahaterahan’ny Mpamonjy izy ireo.

Ao ireo hira anglisy voadika tamin’ny fiteny malagasy. Hira noforonina Malagasy, toy ny hira lah ; 25 « Andriamanitra hendry », laha ;84 « He be ny fahasoavana », lah.111 » Indro ny Mpamonjy ». Ao koa ireo hira « maintimolaly » nahazatra hatramin’izay, tahaka ny « Misaora an’i Zanahary », « SambaSamba Zanahary », sns. Hiarahan’ny Orimbato miasa amin’ny  Mpitandrina Rakotonavalona Maholy (FJKM Ambohitantely, tompon’andraikitry ny departemantan’ny tantara ho an’ny FJKM) ny fanolorana ireo hira ireo.

Ny fizarana faharoa, handrenesana ireo hira Noely malagasy ankehitriny toy ny « Tanàna kely » (Daniel Ramarokoto), « Kintana ô » (Pascal Ratsimanosika), sns. Hiran’ny Noely amin’ny teny vahiny noforonina tamin’ny taonjato faha-19 toy ny « O little Town of Bethlehem » (Phillips Brooks), « Wzn a child is born » (Darlene Z). Fizarana faharoa izay hifandimbiasan’ny fiakaran-tsehatry ny mpihira lehilahy sy mpihira vehivavy. Ny STK Ambatonankanga no vahiny handray anjara. « Omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy », Salamo 66/12 ny anankinana ny amboaran-kira Noely.

HaRy Razafindrakoto

Cet article Amboaran-kira Noely : hanatanteraka « Omeo voninahitra » ny chorale Orimbato est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503