Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Rajerison Aimé Maminiaina : « Poetin’ny fitiavana i Rado Ramaherison »

$
0
0
RAJERISON

Niainga tamina tononkalo 75 ao anatin’ny boky « Ronjom-bazo », « Fanalahidy » ary « Ranontany » samy sanganasan’i Rado Ramaherison, ny fanohanan-kevitra nataon-dRajerison Aimé Maminiaina, tetsy amin’ny sekoly ambony fanofanana ho mpampianatra (ENS Ampefiloha) ny talata teo. Tao anatina fizarana telo lehibe no nisintonany ny ampahana toetra iray ananan’ity mpanoratra ity : « Poetin’ny fitiavana i Rado Ramaherison ». Samy nanamafy io avokoa na ireo hery namolavola ny mpanoratra hihira ny fitiavana na ireo sehatra niventsoany ny fitiavana ary ny fomba nanehoany izany.

Taorian’ny fifampidinihana nataon’ny mpitsara no nanapahan’izy ireo fa mendrika ny hahazo ny « mention très bien » ny tohan-kevitra nataon-dRajerison Aimé Maminiaina. Marihina fa nandritra ny 5 taona ny fiofanana ho mpampianatra ao amin’ny ENS izay ahazoana ny mari-pahaizana « Certificat d’aptitude pédagogique de l’école normale » na ny Capen.

Niara-nanaiky ny ezaka goavana vitan-dRajerison Aimé Maminiaina ireo mpandalina ny teny malagasy nanatrika ity fanohanan-kevitra ity.

HaRy Razafindrakoto

Cet article Rajerison Aimé Maminiaina : « Poetin’ny fitiavana i Rado Ramaherison » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503