Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Namoaka vokatra… : Kinta, kintana vaovaon’ny rock

$
0
0
KINTA PHOTO

Kinta, avy amin’ny hoe Kintana ihany. Anarana nosafidin-dRahantaniaina Léa Marie Stella entiny hilomano eo amin’ny tontolon’ny zavakanto io. Anarana vaovao, kanefa azo antoka fa hamiratra tsy ho ela, raha ny fahenoana ampahany tamin’ny sanganasany. Nampahafantatra ny rakikirany voalohany tamin’ny fomba ofisialy mantsy i Kinta, omaly, tetsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary. Mirona kokoa amin’ny pop rock, manome vahana ny gitara ka hahenoana fofona blues ireo hiran’i Kinta.
“Mahatsiaro” no lohatenin’ny rakikira, izay ahenoana hira 10. Manaitra avy hatrany ny mahita ny anaran’i Batata sy Roger Kely, teo amin’ny fanatontosana ny rakikira. Eny, anisan’ireo manosika an’i Kinta ny tarika Iraimbilanja. Mametraka fitokisana aminy koa, satria fantatra fa handray anjara amin’ny tapany voalohany amin’ny seho iarahana amin’ny tarika Iraimbilanja, izay hotontosaina etsy amin’ny CFM Anosy i Kinta, ny 24 desambra izao.

Zo ny Aina

Cet article Namoaka vokatra… : Kinta, kintana vaovaon’ny rock est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503