Naneho ny talentany sy ny zavakanto nahazoany fiofanana ireo ankizy 45 ao anatin’ny fikambanana Zara Aina. Fampisehoana tantara an-tsehatra notanterahina teny amin’ny foibe kolontsaina Amerikanina Tanjombato, ny asabotsy 19 desambra teo. « Volanoro », sombin-tantara nohatsaraina no nolalaovin-dry zareo tamin’izany.
Raha ny fanazavan-dRakotoarison D. Henintsoa, mpitantana ity fikambanana ity, ny ho matihanina amin’ny tontolon’ny teatra (tantara an-tsehatra sy dihy), fahaiza-miseho sehatra no anisan’ny tanjona tratrarina eo anivon’ny Zara Aina. Ankoatra ireo, mianatra teny anglisy sy dihy ankehitriny ihany koa ireto zaza sahirana avy eny amin’ny faritr’Ankorondrano sy Tsaramasay ireto. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny akany « Manao Haody ». Mahatratra 3 taona ny fampianarana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Krismasy rahateo ny hetsika sady fanehoana amin’ny ray aman-dreny ny ezaka vitan’ireto zaza 45 ireto izay iantohan’ny Zara Aina ny fianarany sy ny sara-pitsaboana ary ny fitsaboana nify. Marihina fa eo an’elanelan’ny 10 ka hatramin’ny 17 taona ireto zaza ireto.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto
Cet article Kolontsaina sy fanabeazana : nilalao ny « « Volanoro » ny Zara Aina est apparu en premier sur NewsMada.