Hosantarina amin’ny rindrankira goavana, maimaimpoana, ny taona 2016, izay rariana rahateo ho « Taona fankasitrahana ». Fampisehoana an-tsehatra karakaraina sy tontosain’ny Tanora Fanantenana (FJKM Atsimon’Imahamasina). Nanasana ny Amaf (FJKM Andravoahangy Fivavahana), Hosana (FJKM Ambohijatovo Fitiavana), Ny Koraïta (FJKM Manarintsoa Finoana). Rindrankira evanjelika hotanterahina ao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina ny alarobia 6 janoary manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hitondra ny vatsim-panahy ny mpitandrina Ranaivoniarivo Tiana Alisoa.
Noraisina ho teny fanevan’ity rindrankira ity ny : « … Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao… ; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana… » (Isaia 49 :8a – Kor 6 :2b). Ny fanamafisam-peo sy hazavana anisan’ireo raitra amin’izao fotoana no ampiasain’ny Adnoum sy Admark amin’io fotoana io.
Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa antoko mpihira manana traikefa matanjaka amin’ny fampisehoana goavana tahaka izao izy ireo. Manamafy izany ireo hira maro tsy afaka am-bavan’ny olona maro sy nitondra aim-panahy vaovao teo amin’ny fiainan’ireo izay naheno izany.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Amaf, Hosana, Ny Koraïta, Tanora Fanantenana : ho « Taona fankasitrahana » ny 2016 est apparu en premier sur NewsMada.