Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fetin’ny faran’ny taona : nitombo ny karazan-tsafidy fa nihena ny isan’ny hetsika

$
0
0
????????????????????????????????????

Tsy toy ny isan-taona! Nihena ny isan’ny hetsika hanaovam-beloma ny taona 2015 sy handraisana ny taom-baovao 2016 amin’ity. Na ireo dokambarotra aza, vitsy dia vitsy ary tara vao nanomboka. Nivelatra kosa anefa ny safidy…

Fandraisana anjara roa ho an’i Tovo J’Hay
Nety ny taona 2015 ho an’i Tovo J’Hay. Nanamarika indray ny fiverenany an-tsehatra mantsy ity taona ity, tamin’ny alalan’ny seho roa goavana, tao Antsahamanitra sy tetsy amin’ny CCesca Antanimena. Teo koa ny namoahany ny rakikira vaovao “Angolanao”. Ho tohin’izany, anisan’ireo mpanakanto ankavitsiana hanatontosa seho roa amin’ny toerana samihafa izy, ho an’ny anio alina. Alohan’ny misasakalina, etsy amin’ny Espace Dera i Tovo J’hay. Hitohy amin’ny fampandihizana handefasanan’ny mpikosoka kapila ireo hiran’ny taona 80 sy 90 izany aorian’izay. Aorian’ny misasakalina kosa, hiaraka hisantatra ny taom-baovao eny amin’ny Cemess Soanierana izy. Hialoha lalana azy eny an-tsehatra mandritra izany i Princio.

Sambasamba ny tarika Mahaleo
Nandritra izay 40 taona mahery nisiany izay, sambasamba  vao hanafana izany fetin’ny faran’ny taona izany ny tarika Mahaleo. Anisan’ny tolotra vaovao, tsy fahita hatramin’izay izy ity. Hitondra ireo hirany tsy tontan’ny ela, vokatry ny tany nosedrain’ny vanim-potoana ry Dama sy ny tariny. Amin’ny maha fetin’ny faran’ny taona sy fandraisana ny taom-baovao azy anefa, tsy maintsy hisy ny ampahany hatokana ho an’ny fandihizana. Hielanelana dihy sy korana, araka izany, ny fampisehoana hira.

Tolotra maro sosona ny etsy Ankorondrano
Anisan’ny fety hiavaka, satria hampiaraka ny « bodybuilding », seho an-tsehatra, fandihizana “twerk”, sns, ny etsy amin’ny Dôme Ankorondrano. Hampiditra ny hafanana, miara-dalana amin’ireo fifaninanana isan-karazany i DJ Natal. Hitohy amin’ny seho hataon-dry Kougar, Martiora Freedom, Jiolam’bups ary Marion izany. Hanaraka avy eo ny fanehoana bokon’hozatra, ary hitohy amin’ny fandihizana hatramin’ny maraina, iarahana amin’i Rija Deejay.

Tsara tsena ireo mpampandihy
Rehefa fetin’ny faran’ny taona, saika ireo tarika mpampandihy no tompon’ny tsena. Tsara tsena ireo tena matihanina ka ankafizin’ny olona, satria talohan’ny Noely dia efa maro ireo fety nilana azy ireo. Maro ireo toerana fanaovan-danonana no niantso ireo tarika mpampandihy, izay havanana kokoa amin’ny famerenana ireo hiran’ny mpanakanto malagasy sy vahiny, amin’ity anio alina ity. Niniana tsy notanisana, sao misy latsaka noho ny hamaroan’ny tolotra.

Nangonin’i  Zo ny Aina

Cet article Fetin’ny faran’ny taona : nitombo ny karazan-tsafidy fa nihena ny isan’ny hetsika est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503