Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

D’Gary : « Misy mpitondra mampiady foko any Betroka »

$
0
0
FOKO

Toy ny olom-pirenena rehetra, manana ny heviny momba ny fahitany ny raharaham-pirenena ihany koa ny mpanakanto. Iray amin’ireny i D’Gary, izay nanambara momba ny zava-niseho tao Betroka.

Ny alarobia alina teo, notafihan’ny foko Tevondro, avy ao amin’ny fokontany antsoina hoe Mangalahy, ny mponina ao Betoho, izay ahitana ny foko Zafindravala. Samy any amin’ny distrikan’i Betroka avokoa ireo toerana roa ireo. Taorian’ny fanafihana, nodoran’izy ireo ny tanàna ka trano miisa 35 no may kilan’ny afo. Vokany, manodidina ny 185 ny tsy manan-kialofana tsy fidiny, araka ny fitantaran’i D’Gary, fantatra eo amin’ny tontolon’ny mozika ary zanak’iny faritra atsimon’ny Nosy iny.

Manjavozavo ny tena anton’izao tsy fifankahazoana eo amin’ireto foko roa ireto izao. Raha ny nambaran’ity mpanakanto ity hatrany, efa ela io tantara io. Na inona na inona, anjaran’ny manampahefana ny mandamina ny raharaha amin’ny maha iray tsy mivaky an’i Madagasikara.

Tsy izany anefa no mitranga. « Tsy mipetraka ho mpanelanelana ny mpitondra any an-toerana fa manohana ny iray amin’ireo foko ireo. Izay no vao mainka mampiitatra ity ady ity », hoy hatrany i D’Gary. Nambarany fa tokony ho nandray andraikitra avy hatrany ireo manampahefana any an-toerana ireo, raha nisy ity tranga ity, saingy sady tsy mijery no tsy miteny izy ireo.

Fony mbola tsy nahaleo tena i Madagasikara, ny mpanjanatany no  nahazo tombony tamin’ny fampifandrafesana ny samy Malagasy. Ankehitriny, mbola misy ihany ireo sahy manao izany noho ny antony tsy mazava hatreto. Na izany na tsy izany, toa am-bava fotsiny sisa ilay fihavanana malagasy.

Landy R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503