Ny mozika, mahalala sisin-tany. Porofon’izany, tsy tany hafa ho an’i Hil Chaffre i Madagasikara. Mpanakanto teratany reonioney izy, saingy mahalala tsara momba an’i Madagasikara sy ny mozikany, ary miara-miasa akaiky amina mpanakanto malagasy maromaro. Ho fanamafisana izany, namoaka ny hira “Vadiko tiako”, indray ity mpanakanto ity.
Voaporofon’ny lohateny ny fironan’i Hil Chaffre amin’ny kanto malagasy. Tsy vitan’izay fa mbola manentana ireo manan-talenta amin’ny fanatontosana rakitsary ihany koa izy, mba hifaninana ao anatin’ilay tetikasa “Vadiko tiako”. Miantso ireo tanora indrindra indrindra ity mpanakanto ity, mba haneho ny talentany amin’ny fanatontosana rakitsary, satria hitany nandritra ireo fivezivezeny teto Madagasikara fa maro ny manan-talenta, saingy mila tosika kely ny ankamaroany.
Hanana endrika roa ny hira “Vadiko tiako” ka ny voalohany somary milamindamina ary ny faharoana kosa mihetsika kokoa. Mba hahafahan’ireo mpanatontosa manana fahalalahana hanehoany ny talentany ny antony.
Tsiahivina fa efa namoaka ny rakikira “La Là La”, izay niarahany tamin’ireo mpanakanto Malagasy toa an-dry Zambà sy ny ekipany i Hil Chaffre. Tohin’izany ity tetikasa ity.
Zo ny Aina